Fizarana ho an'ny mpiasa MNDPT, mariky ny fankalazana ny faha-64 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara Nankalaza ny faha-64 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Nisy fizarana fanomezana ho an’ny mpiara-miasa araka izany ny 24 jona 2024, teo ambany fitarihan’ny Minisitra, Atoa Tahina RAZAFINDRAMALO.
Tsara ho marihana fa ny mpiasa tsirairay dia samy nisitraka menaka, siramamy, vary 50 kilao ary arendrina, ho fankalazana ny Asaramanitra 2024.Nohararaotin’ny Minisitra, Atoa Tahina RAZAFINDRAMALO izao fotoana izao nanehoany ny firarian-tsoa ho an’ny mpiasa rehetra manerana ny nosy sy fisaorana tamin’ny fahafoizan-tena sy ny asa vita hatrizay. Nohamafisiny fa miainga amin’ny fanoloran-tena sy ny asa mafy ataon’ny mpikambana tsirairay no nahazoana fahombiazana tamin’ireo tetikasa maro tontosaina tao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Tetikasa izay teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA.